Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»
Mpitsara 6:15 - DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Gideona Taminy: Indrisy, Tompo ô, amin’ny alalan’ny inona no hanafahako ny Israely? E! ny ankohonako no kely hery indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko. Baiboly Katolika Ary hoy i Jedeôna taminy: «Indrisy, Tompoko ô! Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada». Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko. Malagasy Bible Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko. La Bible en Malgache Fa hoy i Gideona Taminy: Indrisy, Tompo ô, amin’ny alalan’ny inona no hanafahako ny Israely? E! ny ankohonako no kely hery indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko! |
Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»
Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?
Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.
Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.
Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Babilôna sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponin’i Babilônia. Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra! Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.
–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.
Fa hoy i Maria tamin’ny anjely: –Hanao ahoana àry no hahatanterahan’izany, fa izaho manko virijiny?
Raha izaho manko dia faraidiny amin’ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra.
Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,
Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.
Dia naverin’ireo minisitr’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany. Fa hoy i Davida tamin’izy ireo: –Heverinareo fa zavatra kely moa izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Izaho anefa dia olo-mahantra tsy misy dikany.
Dia hoy i Saoly hoe: –Fa izaho ahoana? Izaho anie ka avy amin’i Benjamîna e, avy amin’ilay foko kely indrindra amin’ny fokon’ny Israely? Ary ny fianakavian-draiko moa ve tsy ilay fianakaviana vitsy indrindra amin’ny fokon’i Benjamîna? Koa ahoana no ilazanao zavatra toy izany amiko?