Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 5:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Koa hatolony ireny ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka; ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ny fotoana hiterahan’izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2 ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Koa hatolony ireny ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka; ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 5:2
57 Rohy Ifampitohizana  

Niala tao Betela i Jakôba sy ny ankohonany. Raha mbola lavidavitra an’i Efratà no nisy azy mianakavy, dia teraka i Rahely; nefa saro-piterahana izy.


Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.


Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny.


Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Taranak’i Salmà: ny mponina tao Betlehema, ny Netôfatita, ny mponina tao Hatarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manahetîta, ny Tsôrehita,


I Joda no nahery indrindra teo amin’izy mirahalahy avy, ka izy no nipoiran’ilay ho tonga mpanjakan’i Israely; nefa ny fizokiana dia an’i Jôsefa ihany.


Indro henonay hoe any Efratà ny Vatamasina; ary hitanay tao amin’ny sahan’i Jahara.


Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.


Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.


Naniry toy ny solofon-kazo madinika teo anatrehan’ny TOMPO ilay Mpanompony; naniry toy ny fakan-kazo mitrebona eo an-tany karakaina. Tsy nanana endrika na bika nanintona antsika izy, na koa hatsaran-tarehy haniriantsika azy.


Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko eo amin’ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ilay tanànan’i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanàna izany, ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.


–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiôna! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilôna. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan’ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»


Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany;


ary nanomboka niampanga Azy nanao hoe: –Ity olona ity hitanay manakorontana ny firenenay sy mandrara tsy handoa hetra amin’ny amperôra rômanina ary mihambo ny tenany ho Mesia mpanjaka.


Ary teo ambonin’ny lohan’i Jesoa dia nasiana soratra hoe: «Ity no Mpanjakan’ny Jiosy!»


Tsy efa voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan’i Davida no iavian’ny Mesia?


Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.


Nisy talohan’ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin’ny fokon’i Joda no nipoiran’ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.


Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


«Izao no lazain’ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray:


Dia hoy indray Izy tamiko: –Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin’ny loharano miboiboika ranovelona.


Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.


Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.


Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!


Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.


I Davida dia zanakalahin’i Jisay avy amin’ny terak’i Efratà, izay nonina tany Betleheman’i Joda; nanan-janaka valo mirahalahy i Jisay izay efa tena antitra tamin’ny andron’i Saoly.


Ento koa ireto frômazy folo ireto ho an’ny kômandin’ny antokon-tafika. Dia jereo ireo rahalahinao na mba nanao ahoana ihany izay izy ireo any. Ho hitanao raha toa ka salama tsara izy ireo, ary dia hitondranao vaovao tsara momba azy ireo aho.


Ataovy fantatra avokoa izay toerana rehetra mety iafenany, dia miverena atỳ amiko rehefa tena azonareo antoka, fa hiaraka aminareo aho. Raha mbola eto amin’ny faritany koa iny, dia hosavako avokoa ny isam-pianakaviamben’i Joda mba hahitako azy.


ny sasany hataony manamboninahitra mpibaiko rezimanta na vondron-tafika. Ny hafa hataony mpiasa ny taniny sy mpijinja ny vokany, na koa mpanefy fiadiana sy fitaovana momba ny kalesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra