Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 5:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Dia hoy ny Tompo hoe: «Ianao, ry Betlehema Efratà, isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an’i Israely. Efa hatramin’ny fahagola no niandohany, dia hatramin’ny andro taloha elabe.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia hoy ny Tompo hoe: «Ianao, ry Betlehema Efratà, isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an’i Israely. Efa hatramin’ny fahagola no niandohany, dia hatramin’ny andro taloha elabe.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 FA hianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’ny iray ho mpitondra ho Ahy ao amin’ny Israely; hatry ny fahagola no niaviany, dia hatrizay hatrizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 5:1
35 Rohy Ifampitohizana  

Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.


Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Tamin’izay nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO mba hiteny aminao?


Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.


Misanasana vava handrahona ahy ny olona, ka mamely tehamaina sady manevateva ahy ary koa miara-mioko hamely ahy.


Natokany hatramin’ny fahagola aho, eny, natokany hatrany am-piandohana, dia fony tsy mbola nisy akory ny tany.


Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.


Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


Aoka izy hanolotra ny takolany amin’izay mikapoka azy, ka ho voky latsa!


Faharavana, faharavana, faharavana: hataoko toy izany i Jerosalema. Ho potika tanteraka ny tanàna, saingy tsy alohan’ny hahatongavan’ilay homeko fahefana hanafay azy›. »


«Ry ilay taranak’olombelona, raiso an-tsoratra ny datin’andro anio, satria mitsingerina anio ny nanombohan’ny mpanjakan’i Babilôna nanao fahirano an’i Jerosalema.


Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.


Haringako ilay mpitsara ao aminy ary hovonoiko miaraka aminy koa ireo manamboninahiny rehetra. Izaho Tompo no miteny.»


Fa indro antsoiko ny Babilônianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakàny ny tanin’ny sasany.


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Tamin’izay dia nandrora ny tavan’i Jesoa ry zareo ary namely totohondry Azy; ny sasany kosa namely tehamaina Azy


Dia nororan-dry zareo Izy ary nalainy ilay volotara ka nikapohany ny lohany.


Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany!


Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nisy anankiray tamin’ny mpiandry raharaha teo namely tahamaina Azy sady nanao hoe: –Izany ve no famalinao ny mpisorombe?


Dia nanatona Azy ny miaramila, ka namely tahamaina Azy sady niteny hoe: –Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!


Fa i Hananià mpisorombe kosa nanome baiko ireo olona teo anilan’i Paoly mba hamely tehamaina ny vavany.


Eny, leferinareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandàny anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy manao zinona anareo, raha misy mamely ny tavanareo.


Firenena avy lavitra, firenena avy any am-paran’ny tany sady tsy fantatrareo ny fiteniny, izany no hoentin’ny TOMPO hiady aminareo; tahaka ny voromahery miantonta hipaoka remby no hiavian’izany firenena izany aminareo:


Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an’ireo.


Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra