Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:10
33 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy indray i Abrahama: –Miangavy re, Tompo ô, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.


Izao no vavaka nataony: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin’i Abrahama tompoko.


nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.


Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.


Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.


Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.


Koa hoy ny TOMPO tamin’i Jakôba: –Miverena any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny fianakavianao, fa homba anao Aho!


Nanafatra an’ireo iraka izy hoe: –Izao no holazainareo amin’i Hesao: «I Jakôba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany hatramin’izao.


Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.


Tonga tao Mahanaîma i Davida, raha nita an’i Jôrdàna i Absalôma mbamin’ny miaramila rehetra amin’i Israely.


Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?


Fa hoy izy: «Aoka ny marina hifikitra amin’ny lalany, ary aoka ny madio tanana hitombo fiezahana.»


Ary ho bitika ihany izay nosantarinao taloha raha mitaha amin’ny hoavinao mamirapiratra.


Hoy aho tamin’ny TOMPO: «Ianao tokoa no Tompoko ka tsy misy hasambarako, raha tsy eo akaikinao!»


Izy no manofana ahy ho havanana amin’ny ady ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.


Omeo andro lava hiainany ny mpanjaka; ho arivo tratry ny taona anie izy!


dia mba inona moa ny olombelona no tsarovanao, sy izay zanak’olombelona no karakarainao?


Rehefa mandalo ny lohasahan’ny Balsama izy, dia hasian’Andriamanitra loharano izany; sady avy koa ny loha orana hameno kamory azy.


Eny, akaiky an’izay manaja Azy ny famonjeny; hitoetra eto amin’ity tanintsika ity ny voninahiny.


Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an’izany ho azy.


Hasehonao aminay taranak’i Abrahama sy i Jakôba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay hatramin’ny andro fahagola.


Torak’izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain’Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»


Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe: –Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!


Efa lasa adala aho, satria noterenareo. Ianareo ange no tokony hidera ahy e! Fa na dia tsinontsinona aza aho, dia tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin’ireo apôstôly fanaperana.


tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin’izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin’ny razambenareo.


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra