Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:11
21 Rohy Ifampitohizana  

nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.


Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»


Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.


Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.


Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.


Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?


Afaho amin’ny mpampahory aho mba hitandremako ny fepetranao.


Ianao, TOMPO ô, no antsoiko. Hoy aho hoe: «Ianao no aroko sady anjara voatokana ho ahy, eto amin’ity tany ivelomanay ity!»


Hira malefaka nataon’i Davida. Andriamanitra ô, arovy aho satria Ianao no fialofako.


Arovy re aho ka vonjeo; aoka tsy ho diso fanantenana aho, satria Ianao no fialofako!


TOMPO ô, Ianao no fialofako; tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana aho. Araka ny fahamarinanao dia afaho amin’ny loza aho!


Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka, ataovy afaka amin’ny mpamitaka sy amin’ny mpanao ratsy.


Sarotra kokoa noho ny mananika manda ny manatona rahalahy tafintohina; ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.


Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka.


Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanareo eny an-dalana ianareo, na ambony hazo na amy tany, ka misy vorona efa foy ombàn-dreniny na atody mbola kotrehiny, dia aoka ny zanany tsy halainareo miaraka amin’ny reniny.


Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»


Amin’iza moa no iadianao, ry mpanjakan’i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra