Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Mandehàna amin’izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan’ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nitodika nijery azy NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo amin’ny tanan’ny Midianita ny Israely. Tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Mandehàna amin’izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan’ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nitodika azy i Iaveh ka nanao hoe: «Mandehana amin’izao hery anananao izao, ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely; tsy efa nirahiko va ianao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin’izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin’ny tànan’ny Midiana, tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nitodika nijery azy NY TOMPO ka niteny hoe: Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo amin’ny tanan’ny Midianita ny Israely. Tsy efa naniraka anao va Aho?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


namono ny afo midedadeda, tokony ho voan’ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an’ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa.


Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjelin’ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.


Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.


Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.


Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra: –Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao,


Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra