Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan’izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain’ny razanay fa nataon’ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa hoy i Gideona taminy: Indrisy tompoko, raha momba anay NY TOMPO, nahoana no mihatra aminay izao zavatra rehetra izao? Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay notantarain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta va NY TOMPO? Fa ankehitriny, efa nahafoy anay mihitsy NY TOMPO ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan’izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain’ny razanay fa nataon’ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 «Indrisy, Tompoko, raha momba anay i Iaveh, ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va i Iaveh? Fa efa nafoin’i Iaveh mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan’i Madiàna».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ny Midiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa hoy i Gideona taminy: Indrisy tompoko, raha momba anay NY TOMPO, nahoana no mihatra aminay izao zavatra rehetra izao? Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay notantarain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta va NY TOMPO? Fa ankehitriny, efa nahafoy anay mihitsy NY TOMPO ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:13
22 Rohy Ifampitohizana  

Nifandàka ireo zaza kambana tao an-kibony, ka hoy Rebekà hoe: –Raha toy izany, nahoana re aho no nitoe-jaza? Dia lasa nanontany ny TOMPO izy.


ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Koa aza mihodina amiko Ianao, aza mandroaka ahy an-katezerana, fa Ianao no efa namonjy ahy. Aza arianao aho ary aza ilaozanao, fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.


Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.


Ianao Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva ary ny voninahitrao no derainay mandrakizay. Fiatoana


Olona iza no velona ka tsy hiharam-pahafatesana, na hahavotra aina tsy voatanan’ny toeran’ny maty? Fiatoana


Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo nefa tsy mahita mihitsy, ka mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO kosa hihaino azy; Izaho Andriamanitr’i Israely tsy mba handao azy.


Tamin’izay ny vahoakan’Andriamanitra dia nahatsiaro ny tantarany fahiny, dia izay tamin’ny andron’i Mosesy: «Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin’ny ony, Ilay ho mpiandry ny andianondriny? Nankaiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?


Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Dia hovalian’ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin’izany vahoaka izany ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta;


Dia hirehetan’ny fahatezerako amin’izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon’ny olona levona izy sady hianjadian’ny loza amam-pahoriana maro. Amin’izany andro izany no hitenenan’ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian’izao fahoriana izao!»


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona.


Ary nisehoan’ilay anjelin’ny TOMPO izy ka nilazany hoe: –Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra