Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:8 - DIEM PROTESTANTA

Nifidy andriamani-baovao ny olona ka vetivety dia vaky ny ady; nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray ho an’ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nifidy andriamanitra vaovao ny olona ka tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nahitana ampinga na lefona na dia iray akory aza va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Israely?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nifidy andriamani-baovao ny olona ka vetivety dia vaky ny ady; nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray ho an’ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa nifidy andriamani-baovao ny olona, ka nitsidika eo am-bavahady ny ady, ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita, teo amin’ny olona efatra alina, amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va Teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Isiraely?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nifidy andriamanitra vaovao ny olona ka tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nahitana ampinga na lefona na dia iray akory aza va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Israely?

Jereo ny toko



Mpitsara 5:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny olon’i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an’ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan’i Joda; sady nataony feno ran’ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.


Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razambeny Izay nitondra azy niala tany Ejipta izy ka nandeha nanompo andriamani-tsiizy, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina azy. Andriamani-tsiizy no niankohofan’ny Israelita; ka nahatezitra ny TOMPO izany.


Kanefa ny Israelita tsy nankatò ihany koa ireo mpitsara azy, fa nandeha nanao fanompoan-tsampy tamin’ireo andriamani-tsiizy ka niankohoka teo anatrehany. Nalaky niala ny lalana izay nizoran’ireo razany tamin’ny fankatoavana ny didin’ny TOMPO izy, fa tsy mba nanahaka azy.


Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.


Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.


Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.