Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny ahy ny fo dia miandany amin’ireo komandin’i Israely; ny foko dia miandany amin’ireo vahoaka nanolo-tena hiady; koa isaory ny TOMPO izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ny foko dia mankasitraka ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely izay nanolo-tena an-tsitrapo teo amin’ny vahoaka. Miderà NY TOMPO ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny ahy ny fo dia miandany amin’ireo komandin’i Israely; ny foko dia miandany amin’ireo vahoaka nanolo-tena hiady; koa isaory ny TOMPO izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ny Isiraely, Izay nazoto nanolo-tena teo amin’ny vahoaka,– Miderà an’i Jehovah hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ny foko dia mankasitraka ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely izay nanolo-tena an-tsitrapo teo amin’ny vahoaka. Miderà NY TOMPO ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.


ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato.


Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.


Nisaoran’ny vahoaka manokana ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina ao Jerosalema.


Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho, ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony!


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Nanaiky ny fiangavianay azy i Tito; nefa tena nazoto rahateo izy, ka dia nahim-pony no nankanesany tany aminareo.


Noheveriko àry fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra.


Efa samy vonon-kiantafika ny vatan-dehilahy eto Israely, nanolo-tena hiady ny vahoaka; koa isaory ny TOMPO izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra