Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 19:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa ny olon’i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an’ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan’i Joda; sady nataony feno ran’ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa ny olon’i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an’ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan’i Joda; sady nataony feno ran’ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda, sady efa nameno ran’ny marina ity tanàna ity

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 19:4
49 Rohy Ifampitohizana  

Marobe ny olona tsy manantsiny nampamonoin’i Manase ho faty ka nanerana an’i Jerosalema manontolo ny rany; izany moa dia ankoatra ny fahotana nitarihany an’ireo Jodeanina tamin’ny nanaovany izay ratsy eo imason’ny TOMPO.


Nozimbain’i Jôsià koa ny Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma mba tsy handoran’ny olona intsony ny zanany lahy na vavy ho sorona ho an’i Môlôka.


ary koa noho ireo olona maro tsy manan-tsiny izay novonoiny ho faty; nanenika faty an’i Jerosalema izy ka izany no tsy netezan’ny TOMPO hamela heloka.


Novonoiny ho faty ny ankizy tsy manan-tsiny izay nataony sorona ho an’ny sampin’i Kanahàna; ka nandotoany ny tany ireo olona nalatsa-dra ireo.


Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.


Ianareo izay nandao Ahy TOMPO kosa ka nanadino ny mankeny an-tendrombohitro masina, ianareo izay nandroso sakafo ho an’i Gada sady nanatitra divay voaharoharo ho an’i Menỳ,


Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.


Ny havalinao kosa dia hoe: ‹Satria nahafoy Ahy ny razanareo ka nifikitra tamin’ny andriamani-kafa ary nanompo azy sy niankohoka teo anatrehany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Nahafoy Ahy izy ary tsy nitandrina ny lalànako.


Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.


Ka lazao amin’ny mpandalo hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpanjakan’i Joda sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin’ireto vavahady ireto.


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.


Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitantanany anao teny an-dalana?


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin’ny sabatrareo.


Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy nanapitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany,


Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.»


Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.


Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.


Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.


satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin’ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo.


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Fahotan’ny mpaminaniny sy heloky ny mpisorony izay nahafaty ny mpivavaka marina tao an-tanàna no nahatonga izany fahavoazana izany.


Navelako handoto tena tamin’ny fanolorana ny voalohan-terany rehetra hovonoina ho faty izy mba hampivarahontsana azy ka hiekeny fa Izaho no TOMPO.»


Hiamboho tsy hiraharaha azy Aho ka ilay raki-tsoako no hozimbazimbainy; fa hiditra ao ny jiolahy ka hanimbazimba azy.


Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.


Ary ireo miaramila hirahiny dia haka toerana eo anoloan’ny toeramasina mimanda ka hanazimba azy; hampitsahatra ny sorona fanao isan’andro amin’Andriamanitra izy sady hampiditra ilay fanimbazimbana mahatsiravina.


Koa hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny ireo mpaminany rehetra izay nalatsa-dra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao,


Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:


Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin’ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin’ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin’ny sori-dàlana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.


Amin’izay rehetra ataonareo, dia ozona sy tahotra aman’ahiahy no halefan’ny TOMPO aminareo; ka ho ringana sy ho levona faingana ianareo satria ratsy tokoa ny nataonareo tamin’ny nandaozanareo Azy.


Hoentin’ny TOMPO ianareo sy ny mpanjaka hatsanganareo ho filohanareo mba ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrareo na ny razambenareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa, dia vato aman-kazo voasokitra.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


Fa ny ran’ireo anisan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny ran’ireo mpaminany no nalatsak’ireny olona ireny; ka dia ra kosa no efa nomenao hosotroiny, ary mendrika azy izany.»


Nifidy andriamani-baovao ny olona ka vetivety dia vaky ny ady; nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray ho an’ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra