ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Mpitsara 5:24 - DIEM PROTESTANTA Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy! Baiboly Katolika Hosoavina noho ny vehivavy i Jahela vadin’i Hebera, Kineanina; hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. Baiboly Protestanta Malagasy Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. Malagasy Bible Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. La Bible en Malgache Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy! |
ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran’ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!
Niditra tao an-tranon’i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: –Mifalia, ry nohasoavin’ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!
ka nanandra-peo niantso mafy hoe: –Nombàn’Andriamanitra fitahiana amin’ny samy vehivavy ianao, ary nombàny fitahiana koa Ilay haterakao!
I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.
Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.
Fa rano no nangatahin’i Siserà; nefa ronono kosa no nomeny azy, dia rononomandry tao anaty tsatokaty marevaka.