Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko; ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.
Mpitsara 5:12 - DIEM PROTESTANTA Mifohaza, mifohaza ianao, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ianao, ka miventesa hiran’ady. Ry Baràka zanakalahin’i Abinôhama, mitsangàna ka ataovy babo ireo mpamabo anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka! Ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mifohaza, mifohaza ianao, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ianao, ka miventesa hiran’ady. Ry Baràka zanakalahin’i Abinôhama, mitsangàna ka ataovy babo ireo mpamabo anao. Baiboly Katolika Mifohaza, mifohaza, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray! mitsangàna, ry Baràka, sambory izay ho babonao, ry zanak’i Abineômo. Baiboly Protestanta Malagasy Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama. Malagasy Bible Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama. La Bible en Malgache Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka! Ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama! |
Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko; ka hihira ho Anao aho sy hankalaza Anao amin-tsalamo.
Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.
Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga, fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.
Kalesy an’arivony aman’alina ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin’ilay Toeramasina.
Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.
Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.
Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangàna! Nampisotroin’ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin’ny faikany.
Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona?
Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata, satria tonga ny famirapiratanao: ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao toy ny masoandro miposaka.
Samia tonga saina araka ny tokony ho izy, ka aza manota intsony. Misy manko aminareo tsy mahalala an’Andriamanitra akory: ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: «Raha miakatra any amin’ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an’ny olona.»
eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe: «Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty, dia hampahazava anao i Kristy.»
ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.
Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.