Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nirohotra nankany amin’ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan’ny TOMPO niaraka tamin’ireo lehilahy mahery fo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Midìna amin’izay ny sisan’ny andriana amin’ny vahoaka! Midìna ho atỳ amiko, Iaveh, eo amin’ireo olo-mahery!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Tamin’izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Izao no hanjo ny mpitoky tena sy hiafaran’ny olona mpirehaka: Fiatoana


Fantaro fa ny didim-pitsarana havoaka dia tsy avy any atsinanana na avy any andrefana, tsy avy any avaratra na avy any atsimo;


Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»


Amin’izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin’ny alalan’Ilay efa tia antsika.


Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.


Mifohaza, mifohaza ianao, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ianao, ka miventesa hiran’ady. Ry Baràka zanakalahin’i Abinôhama, mitsangàna ka ataovy babo ireo mpamabo anao.


Ireo taranaka avy any Efraîma dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin’ny fokon’i Benjamîna izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.


Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjelin’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra