Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 2:21 - DIEM PROTESTANTA

koa tsy handroaka na dia olona iray eo anoloany intsony Aho amin’ireo firenena izay tsy mbola resy tamin’ny andro nahafatesan’i Josoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izaho koa tsy handroaka intsony na dia iray aza amin’ireo firenena navelan’i Josoa tamin’ny nahafatesany

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

koa tsy handroaka na dia olona iray eo anoloany intsony Aho amin’ireo firenena izay tsy mbola resy tamin’ny andro nahafatesan’i Josoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia tsy hisy horoahiko eo anoloany ireo firenena navelan’i Jôsoe tamin’ny nahafatesany, na dia iray aza;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ny andro nahafatesan’i Josoa,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izaho koa tsy handroaka intsony na dia iray aza amin’ireo firenena navelan’i Josoa tamin’ny nahafatesany

Jereo ny toko



Mpitsara 2:21
8 Rohy Ifampitohizana  

ny nanaovako izany fianianana izany dia satria tsy nanatanteraka ny fitsipiko izy fa nanamavo ny lalànako sady nanimbazimba ny andro sabatako, ary voasinton’ny sampin’ireo razany.


dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.


Indreo efa voazarako antsapaka taminareo mba ho lovan’ny fokonareo na ny firenena izay mbola tavela na ny firenena rehetra izay efa nofongorako, manomboka eo Jôrdàna any atsinanana ka miafara eo amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.


Ary ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no handroaka ireo firenena mbola tavela ireo sy hampandositra azy eo anoloanareo; ka hanjary ho fanananareo ny taniny araka izay efa nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Taorian’ny nahafatesan’i Josoa dia nanontany ny TOMPO ny Israelita hoe: «Iza amin’ny fokonay no tokony handeha voalohany hanafika ny Kanahanita?»


Noho izany tapa-kevitra Aho fa tsy handroaka azy eo anoloanareo. Ho fandrika hamely anareo izy; ary ho longoa hahavoa anareo koa ny andriamaniny.


Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna;


Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin’ny fanjakana dimin’ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin’ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata.