Mpitsara 18:21 - DIEM PROTESTANTA Dia niainga ireo ka nanohy ny diany. Ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy ary ny entana no nalefany teo aloha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga izy ireo ka lasa nandeha ary ny zaza amam-behivavy sy ny omby aman’ondry mbamin’ny fananany dia nataony teo alohany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niainga ireo ka nanohy ny diany. Ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy ary ny entana no nalefany teo aloha. Baiboly Katolika Dia niainga izy ireo, ka lasa; nataony teo aloha ny zaza sy ny biby fiompy mbamin’ny entana sarobidy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman-ondry mbamin’ny entany tsara dia nataony teo alohany. Malagasy Bible Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany. La Bible en Malgache Dia niainga izy ireo ka lasa nandeha ary ny zaza amam-behivavy sy ny omby aman’ondry mbamin’ny fananany dia nataony teo alohany. |
i Helkata, ary i Rehôba: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Dia faly ilay mpisorona ka nitondra ny efôda sy ny terafima ary ny sampy sady niditra teo anivon’ilay andian-tafika.
Efa lasa lavitra ny tranon’i Mikà ireo, vao nifamory i Mikà sy ny vatan-dehilahy mpiara-monina taminy ka nanenjika azy.
Natolotr’i Davida ny mpiambina ireo entana nentiny, ary dia lasa izy nilomay nankeny am-bava ady nanontany izay vaovao momba ireo rahalahiny.