Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 14:1 - DIEM PROTESTANTA

Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahita vehivavy iray tao, avy tamin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nidina nankany Tamnà i Samsôna, ka nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina tany Tamnà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahita vehivavy iray tao, avy tamin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko



Mpitsara 14:1
12 Rohy Ifampitohizana  

dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.


Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.


Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho, fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.


Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny sori-dàlanao aho.


dia miolaka miankandrefana ho amin’ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalôna, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timnà.


i Elôna, i Timnà, i Hekrôna,


Satria ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.


Dia nankany Gazà i Samsôna ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.