Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.
Mpitsara 1:23 - DIEM PROTESTANTA Nandefa iraka izy aloha mba hijery ny tanàna, izay nantsoina hoe Lozy tamin’izany fotoana izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naniraka olona hisafo tany an’i Betela ny taranak’i Josefa. Lozy ny anaran’ny tanàna taloha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandefa iraka izy aloha mba hijery ny tanàna, izay nantsoina hoe Lozy tamin’izany fotoana izany. Baiboly Katolika Naniraka hisafo an’i Betela, tanàna nantsoina fahiny hoe Lozy, ny fianakavian’i Josefa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka hisafo an’i Betela ny taranak’i Josefa (Lozy no anaran’ny tanàna taloha); Malagasy Bible Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha); La Bible en Malgache Naniraka olona hisafo tany an’i Betela ny taranak’i Josefa. Lozy ny anaran’ny tanàna taloha. |
Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.
I Jakôba sy ireo rehetra niaraka taminy dia tonga tao Lozy, izany hoe tao Betela izay ao amin’ny tany Kanahàna.
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy
Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny taranak’i Jôsefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jôrdàna akaikin’i Jerikao, eo atsinanan’ny loharanon’ny tanàna. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin’ny tendrombohitr’i Betela.
avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.
Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.
I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo
Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO.
Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.