sady nilazany hoe: –Andeha hiaraka amiko fa hahita ny hafanampoko amin’ny fanompoana ny TOMPO ianao. Dia nentiny tamin’ny kalesiny izy.
Matio 6:1 - DIEM PROTESTANTA –Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason’ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin’ny Rainareo Izay any an-danitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason’ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin’ny Rainareo Izay any an-danitra. Baiboly Katolika Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Tandremo mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra hianareo. Malagasy Bible Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo. La Bible en Malgache Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. |
sady nilazany hoe: –Andeha hiaraka amiko fa hahita ny hafanampoko amin’ny fanompoana ny TOMPO ianao. Dia nentiny tamin’ny kalesiny izy.
Tsy notandreman’i Jehò akory anefa ny handeha araka ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely amin’ny fony manontolo, fa tsy nialany akory ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama an’i Israely.
Malala-tanana izy manome ny mahantra; maharitra hatrany ny asa fiantràny, ka hitraka hombam-boninahitra izy.
Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.
ary niteny izy ka nanao hoe: –Tsy ity moa ilay Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenan’andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.
Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby,
nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.
ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.
–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [
Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany.
Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»
Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.
Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin’Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa?
Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany àry, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.
–Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan’ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.
Koa mivavaha toy izao àry ianareo: «Ry Rainay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny anaranao;
Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.
Tamin’izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan’i Jesoa hoe: –Mitandrema tena ianareo amin’ny levioran’ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.
satria tiany kokoa ny voninahitra avy amin’ny olombelona noho ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin’Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino?
Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: –Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?
Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy.
Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.
Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika.
Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.
Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno.