Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia nanafatrafatra azy Izy hoe: Diniho ka mitandrema ianareo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia nanafatrafatra azy Izy hoe: Diniho ka mitandrema ianareo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo* sy ny masirasiran’i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:15
21 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.


Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.


«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda mpanjaka ny lazan’i Jesoa,


I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.


Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.


ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


Nisy iraka sasantsasany avy amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina nankeo amin’i Jesoa hamandrika Azy amin’ny fanontaniana;


Ary hadinon’ny mpianatra ny nitondra mofo, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo aminy tao an-tsambokely.


Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe: –Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!


Eo imason’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa ary ny anjely masina no ameperako mafy anao: tandremo tsara ireo torohevitra ireo, ka tsy hisy fizahàn-tavan’olona na fiangarana amin’izay ataonao.


Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato:


Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra