Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 6:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Koa amin’izany, raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 6:2
56 Rohy Ifampitohizana  

Malala-tanana izy manome ny mahantra; maharitra hatrany ny asa fiantràny, ka hitraka hombam-boninahitra izy.


Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina, fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.


Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.


Maro ny olona samy midera tena ny amin’ny soa vitany; fa sarotra kosa ny mahita izay olona mahatoky marina.


Koa ampiasao amina sehatr’asa maro ny volanao, fa tsy fantatrao mihitsy izay loza mety hitranga eto ambonin’ny tany.


Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Ny hizarànao ny haninao ho an’ny noana sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao.


Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr’ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.


Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.


Ry mpihatsaravelatsihy, marina tokoa ny naminanian’i Isaià anareo hoe:


Ary nony maraina ny andro, dia hoy ianareo hoe: «Ho ratsy ny andro anio fa mena antitra ny lanitra.» Hainareo vinavinaina ny toetoetry ny lanitra, ka tsy hainareo vinavinaina ve ireo famantarana momba izao andro diavintsika izao?]


Takatr’i Jesoa anefa ny sain-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy: –Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?


Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany.


Ny ankamamiany dia ny maka ny toeram-boninahitra amin’ny fanasana sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga


Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.


Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon’ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran’izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa.


–Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan’ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,


–Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin’ny sinagôga sy eny amin’ny fihaonan-dalana raha mivavaka, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana.


ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka toeram-boninahitra any amin’ny fanasana.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Marina tokoa ny naminanian’i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:


Manaova asa fiantrana araka izay anananareo, dia hadio aminareo ny zavatra rehetra.


Mampalahelo ianareo, ry Farisianina! Fa tianareo ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny arahabain’ny olona eny an-kianja.


Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba.


Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetoetry ny tany aman-danitra, ka nahoana no tsy hainareo fantarina kosa izao andro diavintsika izao?


Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: –Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin’ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano?


–Mitandrema amin’ireo mpahay lalàna. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin’ny lala-mitafon’ny tempoly, ny ankamamiany dia ny arahabaina eny an-kianja sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka ny toeram-boninahitra any amin’ny fanasana.


–Mampalahelo kosa ianareo mpanana, fa efa azonareo ny fahafaham-po! Mampalahelo ianareo voky ankehitriny, fa mbola ho noana!


Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin’ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin’ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak’ahitra amin’ny mason-kavana.


Fa noho i Jodasy nitana ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no voalazan’i Jesoa taminy: vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fankalazana ny Paska, na mba omeo zavatra ny mahantra.


Tsy hoe voninahitra avy amin’olombelona no tadiaviko;


Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin’Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino?


Izay miteny zavatra avy amin’ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an’ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy.


Mpivavaka sady mpanaja an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany manontolo. Nanampy be dia be ny olo-mahantran’ny vahoaka jiosy i Kôrnely sady nivavaka tamin’Andriamanitra isaky ny fotoana voatendry.


ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.


Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.


Nanapa-kevitra ny mpianatra tao Antiôkia fa samy hanome araka izay nanambinana azy avy mba halefa hanampiana ireo havana iray finoana nonina tany Jodea.


Taona maro no tsy naha tao Jerosalema ahy vao tafaverina indray aho nitondra vola ho fanampiana ny fireneko ary hanolotra fanatitra amin’Andriamanitra.


Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.


Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.


Na dia mizara ny fananako rehetra amin’ny mahantra sy mahafoy ny tenako mba hireharehako aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsy misy mahasoa ahy akory izany.


Ny hany zavatra nangatahin’izy telo lahy taminay dia ny hahatsiarovanay ireo mahantran’ny Fiangonana tao Jerosalema; ary nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.


Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana.


Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa,


Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin’ny hafa;


Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.


Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak’Andriamanitra.


Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr’Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain’Andriamanitra azy; ka dia amin’ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.


Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra