Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 6:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 6:3
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hifanditra aman’olona Izy na hihorakoraka, ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe.


Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao!


nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra