Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona
Matio 10:4 - DIEM PROTESTANTA i Simôna Kananeanina ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Tadeo; i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Simôna Kananeanina ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa. Baiboly Katolika Simôna ilay Kananeanina, ary Jodasy IsKariota ilay namadika Azy. Baiboly Protestanta Malagasy sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. Malagasy Bible sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. La Bible en Malgache i Tadeo; i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy. |
Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona
ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.
–Fantatrareo fa indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska; ary ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana.
Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.
Tamin’izay i Jodasy, ilay nanolotra an’i Jesoa, dia nahita fa voaheloka ho faty i Jesoa. Ary nanenina i Jodasy ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona
Fa i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny 12 lahy, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona mba hanolotra an’i Jesoa hovonoina.
Ary niaraka tamin’izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary andian’olona nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, no tafaraka taminy.
Kanjo nidiran’i Satàna tao am-pon’i Jodasy, ilay atao hoe Iskariôta, anisan’ny 12 lahy.
Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian’olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an’i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy.
Teo am-pisakafoana hariva tamin’izay i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary efa nomen’ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an’i Jesoa.
kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)
Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta; izy io manko, na dia anisan’ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an’i Jesoa.
Ka nony tonga tao an-tanàna izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Jôhany, i Jakôba, i Andrea, i Filipo, i Tômà, i Bartôlômeo, i Matio, i Jakôba zanakalahin’i Halfeo, i Simôna Zelôta ary i Jodasy zanakalahin’i Jakôba.
handray ny toerana amin’izao fanompoana maha apôstôly izao, fa nilaozan’i Jodasy izany hankanesany any amin’ny toerany manokana.