Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:15 - DIEM PROTESTANTA

15 ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ka niteny hoe: Homenareo ohatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy ireo nandanja sekela volafotsy telopolo homena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: –Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: –Inona anefa no homenao ahy amin’izany?


Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin’ny tompon’ny mpanompo ilay tompon’omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty.


Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.


ho an’ny vehivavy, dia sekela volafotsy telopolo.


i Simôna Kananeanina ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.


Ary nanomboka hatreo no nitadiavan’i Jodasy izay fotoana tsara hanolorany an’i Jesoa.


Koa izany lehilahy izany dia efa nahavidy saha ho an’ny tenany tamin’ny vola azony, tambin’ny heloka vitany; potraka nihohoka izy, nipoaka ny kibony ka nivaroraka daholo ny tsinainy.


tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Ary niakatra hankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: –Langolangoy i Samsôna mba hampahalala anao izay iavian’ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1 100 avy izahay.


Dia hoy i Mikà taminy: –Mijanòna eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin’ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra