Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary ny iray tamin’ny roa amby folo lahy, izay antsoina hoe Jodasy iskariota, dia nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe Jodasy IsKariota nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ny lohan’ny mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:14
14 Rohy Ifampitohizana  

i Simôna Kananeanina ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.


Dia mba niteny koa i Jodasy, ilay efa hanolotra an’i Jesoa, ary nanao hoe: –Tsy izaho izany, ry Mpampianatra! Dia hoy i Jesoa taminy: –Anao izany teny izany!


Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.


Tamin’izay i Jodasy, ilay nanolotra an’i Jesoa, dia nahita fa voaheloka ho faty i Jesoa. Ary nanenina i Jodasy ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona


Fa hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianatr’i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy:


Teo am-pisakafoana hariva tamin’izay i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary efa nomen’ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an’i Jesoa.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko anaty ro! Tamin’izay dia noraisin’i Jesoa ilay sombi-mofo natsobony tanaty ro, ka nomeny an’i Jodasy.


Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nivoaka ny trano niaraka tamin’izay; ary efa alina ny andro.


Fantatr’i Jodasy, ilay efa hanolotra Azy, io toerana io satria falehan’i Jesoa mbamin’ny mpianany matetika.


–Ry havako, tsy maintsy notanterahina izay nambaran’ny Fanahy Masina mialoha ao amin’ny Soratra Masina; fa niteny tamin’ny alalan’i Davida Izy ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo nisambotra an’i Jesoa;


Koa izany lehilahy izany dia efa nahavidy saha ho an’ny tenany tamin’ny vola azony, tambin’ny heloka vitany; potraka nihohoka izy, nipoaka ny kibony ka nivaroraka daholo ny tsinainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra