Feno 23 taona i Jôahaza fony tonga mpanjaka, ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.
Matio 1:11 - DIEM PROTESTANTA I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary i Josia dia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny fahababoana tany Babilona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna. Baiboly Katolika i Josiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy ary Josia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny nifindrana tany Babylona. Malagasy Bible ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. La Bible en Malgache ary i Josia dia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny fahababoana tany Babilona. |
Feno 23 taona i Jôahaza fony tonga mpanjaka, ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.
Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10 000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.
Dia nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.
Ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentin’i Nebokadnetsara ho babo tany Babilôna, ka tonga nanompo azy sy ny zanany ireny mandra-piavin’ny fanjakàn’i Persia.
I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.)
Ary ny mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay taozavatra sisa dia nalefan’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ho sesitany tany Babilôna.
Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.
Taorian’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna kosa dia izao: i Jekônià no ray niteraka an’i Sealtièla; i Sealtièla, ray niteraka an’i Zerobabèla.
Koa 14 izany no isan’ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; 14 koa hatramin’i Davida ka hatramin’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin’ny Mesia.