Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin’ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.
Marka 5:2 - DIEM PROTESTANTA Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, tonga nitsena Azy. Azon’ny fanahy maloto ralehilahy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony niala teo an-tsambokely Izy, avy hatrany dia nifanena Taminy avy tany amin’ny fasana ny lehilahy iray, azom-panahy maloto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, tonga nitsena Azy. Azon’ny fanahy maloto ralehilahy, Baiboly Katolika ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ny fasana ka nifanena taminy, Malagasy Bible Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy, La Bible en Malgache Nony niala teo an-tsambokely Izy, avy hatrany dia nifanena Taminy avy tany amin’ny fasana ny lehilahy iray, azom-panahy maloto. |
Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin’ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.
Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto
Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.
Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan’ny vahoaka.
Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.
Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.
Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron’ny farihy ihany.
ka teny amin’ny fasana no niorim-ponenana ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny rojo vy aza.
Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.
Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon’ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin’ny fasana.
Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.