Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’io sambokely io tamin’izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:36
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan’ireo mpianany.


Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anomany sambokely eto akaikiko Aho fandrao hifanosehan’ny vahoaka.


Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.


Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.


Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, tonga nitsena Azy. Azon’ny fanahy maloto ralehilahy,


Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron’ny farihy ihany.


Dia niondrana an-tsambokely ry i Jesoa ka nandeha nitokana any an-taniefitra.


Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: –Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy! Dia niainga Izy mianakavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra