Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:37
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Indro eo am-pelatananao izay ananany rehetra. Nefa aza kasihinao kosa ny tenany. Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna.


dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambondanitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran’ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»


Fa nampifofofofo rivo-mahery teny amin’ny ranomasina ny TOMPO; dia nanonja mafy ny ranomasina ka nila ho vakin’ny tafiotra ny sambo.


Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.


I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?


kanjo mby teo amin’ny andilantany anankiray, ka dia niantsona teo ny sambo. Revo tao amin’ny fasika ny lohasambo ka nihizina teo, tsy nahahetsika; ary ny vodisambo kosa dia vaky azon’ny herin’ny onja.


intelo nokaravasîn’ny Rômanina aho, ary indray maka saika matin’ny tora-bato; intelo vaky sambo aho, ary efa tavela teo anivon-dranomasina indray andro sy indray alina maninjitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra