Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:38 - DIEM PROTESTANTA

38 I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Tao aoriana Jesosy no natory teo ambonin’ny ondana. Dia namoha Azy izy ireo ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Fa i Jesoa kosa natory teo ambody sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: «Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:38
22 Rohy Ifampitohizana  

Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!


Nikiakiaka niantso vonjy aho; fa nosakanany ny fivavako.


Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.


Dia nohatonin’ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: –Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!


Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.


Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe: –Mangîna! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro.


Dia nohatonin’ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe: –Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, ho faty isika!


teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary i Jesoa tamin’izay efa sasatry ny dia nataony, ka nipetraka teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny 12 antoandro.


Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.


Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.


Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra