sady niteny taminy hoe: «Hatreto ihany fa tsy mahazo mihoatra; eto no hifarana ny fisafoaky ny onjanao!»
Marka 4:39 - DIEM PROTESTANTA Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe: –Mangîna! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara! Dia nitsahatra ny rivotra ka tony tsara ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe: –Mangîna! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. Baiboly Katolika Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. Malagasy Bible Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. La Bible en Malgache Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara! Dia nitsahatra ny rivotra ka tony tsara ny andro. |
sady niteny taminy hoe: «Hatreto ihany fa tsy mahazo mihoatra; eto no hifarana ny fisafoaky ny onjanao!»
ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona, ry rivotra mahery izay mpankatò ny teniny;
Ny TOMPO no mitoetra ho mpifehy na dia ny rano tsy hita faritra aza; mitoetra ho mpanjaka mandrakizay IZY.
Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, iza moa no mahery toa Anao? Ny toetranao mahatoky no mipariaka manodidina Anao.
Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.
ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano.
nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy, dia faritra tsy azony hihoarana, ary nametraka ny fanorenan’ny tany.
Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.
Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina; ataony ritra avokoa ny ony rehetra. Tonga maina ny ahitr’i Basàna sy i Karmela, ary manjary malazo ny voninkazon’i Libàno.
Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.
I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?
Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!
Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.
Niondrika teo amin-dravehivavy i Jesoa; ary notenenin’i Jesoa mafy ny tazo, ka niala taminy. Dia nitsangana teo no ho eo ihany ravehivavy nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.
Dia nohatonin’ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe: –Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, ho faty isika!