Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 8:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no matahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:26
24 Rohy Ifampitohizana  

Tompo ô, tanjaka sy hery no asehonao, ka ataonao miorina mafy ny vohitra,


Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, iza moa no mahery toa Anao? Ny toetranao mahatoky no mipariaka manodidina Anao.


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina; ataony ritra avokoa ny ony rehetra. Tonga maina ny ahitr’i Basàna sy i Karmela, ary manjary malazo ny voninkazon’i Libàno.


Moa ny ony va, TOMPO ô, no irehetan’ny fahatezeranao sa ny ranomasina no isafoahanao, no dia ny rahona no toa kalesy tarihin-tsoavaly itaingenanao mba hahazoam-pandresena?


Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy: –Ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra ny amin’ny tsy nitondranareo mofo?


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Tafîn’Andriamanitra toy izany ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa atsipy any am-patana rahampitso; tsy mainka ve ianareo no hampitafîny, ry kely finoana?


Gaga ny olona ka vaky vava hoe: –Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy?


Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.


Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy,


ary nitana horonamboky kely mivelatra izy teny an-tanany. Nasabakan’io anjely io ny tongony, ka ny ankavanana napetrany teo amin’ny ranomasina ary ny ankavia napetrany teo amin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra