Rehefa nandre izany teny izany ilay mpanompon’i Abrahama, dia niankohoka tamin’ny tany hisaotra ny TOMPO.
Marka 15:19 - DIEM PROTESTANTA Ary nokapohiny tamin’ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy ireo sady nandrora Azy ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nokapohiny tamin’ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany. Baiboly Katolika Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. Malagasy Bible Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. La Bible en Malgache Ary nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy ireo sady nandrora Azy ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. |
Rehefa nandre izany teny izany ilay mpanompon’i Abrahama, dia niankohoka tamin’ny tany hisaotra ny TOMPO.
Ka hoy ny navaliny azy: –Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.
Nefa hamelako fito arivo lahy ihany amin’i Israely, dia izay rehetra tsy mba nandohalika tamin’ny andriamanitra Bahala sady tsy nanoroka ny sarivongany.
Ho tsara ve ny hizahany anareo akaiky? Tsy mba olombelona Andriamanitra ka ho azonareo fitapitahina.
Nianiana tamin’ny tenako Aho, sady marina izay teny aloaky ny vavako ka tsy misy ivadihako: Izaho no handohalihan’ny olona rehetra ary hianianan’ny fiteny rehetra hoe:
Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»
Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.
Maro be ny olona no tsiravina raha nijery azy satria niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik’olona akory; ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin’olombelona intsony.
Dia hoy ny Tompo hoe: «Ianao, ry Betlehema Efratà, isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao! Kanefa avy aminao no hamoahako ilay ho Mpanjaka an’i Israely. Efa hatramin’ny fahagola no niandohany, dia hatramin’ny andro taloha elabe.»
ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.
Tamin’ny olona teo dia nisy sasany nandrora an’i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: –Vinanio hoe! Dia nalain’ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian’ireo tahamaina.
Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.
Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan’ny Soratra Masina momba ny Zanak’olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.
Inona kosa no avalin’Andriamanitra an’i Elià? «Efa nanokana fito arivo lahy ho Ahy Aho, dia ireo tsy nandohalika tamin’ny sampy Bahala.»
ka ho fanajana ny anaran’i Jesoa dia handohalika avokoa izay rehetra any an-danitra na etỳ an-tany na any ambanin’ny tany,
Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.