Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:34 - DIEM PROTESTANTA

34 ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hate-loana, dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:34
24 Rohy Ifampitohizana  

Maharikoriko azy aho ka halaviriny; ary tsy menatra ny mandrora ny tavako izy.


satria Ianao tsy manary ahy ho rembin’ny fonenan’ny maty sady tsy mamela ahy hogiazan’ny fasana noho izaho tena mpivavaka aminao.


Ireo fahavaloko no mitangorona amiko toa ombilahy maro manemitra ahy, toa ombilahy masiaka avy any Basàna.


Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.


Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.


Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany.


Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


Tamin’izay dia nandrora ny tavan’i Jesoa ry zareo ary namely totohondry Azy; ny sasany kosa namely tehamaina Azy


ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»


Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga?


Tamin’ny olona teo dia nisy sasany nandrora an’i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: –Vinanio hoe! Dia nalain’ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian’ireo tahamaina.


fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: –Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian’ny hahafatesany dia hitsangana velona.


Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


ka nilaza taminy hoe: –Ny an’ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin’izao!


nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra