Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 12:9 - DIEM PROTESTANTA

Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ahoana ary no hataon’ilay tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany? Ho avy izy dia handringana ireo mpiasa tany ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanimboalobony hafindrany amin’ny hafa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ahoana no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ahoana ary no hataon’ilay tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany? Ho avy izy dia handringana ireo mpiasa tany ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko



Marka 12:9
33 Rohy Ifampitohizana  

Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan’i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra?


Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.


ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Lasa indray izy ka mitondra miaraka aminy fanahy fito ratsy kokoa noho ny tenany ary miara-miditra ao izy rehetra ka miorim-ponenana. Ny toetra hiafaran’izany olona izany dia hahatsiravina kokoa noho ny toetrany voalohany. Toy izany koa no hihatra amin’ny olona ratsy fanahy ankehitriny.


Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra.


Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [


Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany.


Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;


Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka novonoiny ho faty ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.


Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»


Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe: «Nanaiky ho hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, hoy Andriamanitra, ary niseho niharihary tamin’izay tsy nanontany Ahy.»


Saingy tahaka izay nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo no hampiavy aminareo ny loza rehetra, mandra-paharingany anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity,