Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 21:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:43
13 Rohy Ifampitohizana  

saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy.» Ireo no teny izay hambaranao amin’ny Israelita.


Vohay ireo vavahady hidiran’ny firenena mahatoky izay mitana ny fahamarinana.


Indro misy hery lehibe alefan’ny Tompo ka toy ny oram-baratra manavandra izany, toy ny rambon-danitra mpandrava, toy ny oram-be mandriaka mahatondra-drano: indray mipaoka monja no androdanan’ny Tompo ny tanàna manontolo hitrosina amin’ny tany.


Raha Izaho dia ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin’izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Dia hoy ry zareo taminy: –Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.


Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»


Izay mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra