Malakia 1:11 - DIEM PROTESTANTA11 Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika11 Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa, ary any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache11 Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa*. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Jereo ny toko |
Izany no ambaran’ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin’ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin’Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka ô, izay hiseho amin’ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.»
fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina.