Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:10
21 Rohy Ifampitohizana  

Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.


Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza!


Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran’ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin’izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.


Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon’ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy.


Tsy fantatrareo ve fa ireo manao ny raharaha masina ao an-tempoly dia mahazo hanina avy amin’ny zavatry ny tempoly, ary ireo miasa eo amin’ny alitara fisoronana dia mahazo anjara avy amin’ny zavatra atao sorona?


Eny, ny hafa rehetra dia samy miraharaha izay azy ihany, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy.


Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»


Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra