Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra mba hamindrany fo amintsika, fa ny tananareo no nahatonga izao: Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Koa masìna hianareo, andeha mifona amin’Andriamanitra hamindrany fo amintsika–fa ny tànanareo no nahatonga izany,–moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra mba hamindrany fo amintsika, fa ny tananareo no nahatonga izao: Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.


Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: –TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?


Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.


Sady nampian’i Jeremià hoe: «Raha mpaminany tokoa ireo olona ireo, ka tena mitondra ny hafatra avy amin’ny TOMPO, dia aoka izy hangataka amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba tsy havelany hoentina any Babilôna ireo fanaka sarobidy sisa mbola ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto an-tanàna.


Mitsangàna, miantsoantsoa fitarainana isan’ora fiambenana amin’ny alina. Toy ny rano atosaka no amborahy ny ao am-ponao eo anatrehan’ny Tompo. Asandrato aminy ny tananao hiangavy ho an’ny ain’ireo zanakao madinika izay manary aina noho ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.


Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.


Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »


Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.


Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny.


Fa tsy mba mizaha tavan’olona Andriamanitra.


Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra