8 Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an’ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
8 Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

8 Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.
8 Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.
Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
Raha misy kilemany kosa ny voalohan-teraky ny biby fiompinareo fa mandringa na jamba na voan’ny kilema ratsy hafa, dia aza atolotra ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny.