Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako. Nefa hianareo manao hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’i Jehovah dia fanazimbazimba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:7
14 Rohy Ifampitohizana  

amin’ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: «Io no latabatra eo anatrehan’ny TOMPO.»


Ireo ihany no hiditra ao amin’ny Toerako masina sy hanatona ny latabatra natokana hanompoana Ahy. Hotandremany izay nasaiko hotandremana momba izany.


«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.


Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.


Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.


Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.


Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an’ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Tsy azonareo atao ny hisotro ny fisotro aroson’ny Tompo no sady hisotro ny fisotro aroson’ny demony; tsy azonareo atao ny hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny Tompo no sady hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny demony.


Raha misy kilemany kosa ny voalohan-teraky ny biby fiompinareo fa mandringa na jamba na voan’ny kilema ratsy hafa, dia aza atolotra ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra