Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:10 - Baiboly Katolika

10 Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:10
21 Rohy Ifampitohizana  

dia aoka horaisin’ny mpisorona samy avy amin’ny olom-pantany avy, ary aoka hamboatra ny banga amin’ny trano izy ireo amin’izay rehetra hita fa misy banga.»


Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.


Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.»


Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»


Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona samy mamitaka avokoa.


Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.


Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.


Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.


Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!


Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.


Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran’i Iaveh eo amin’ny lain’i Jakôba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin’izay manatitra fanatitra ho an’i Iavehn’ny tafika.


Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.


fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,


Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?


Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;


Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahin’ny foko.


fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra