Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra eo alohan’ny tafiny. Marobe sy matanjaka ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony. Fa lehibe ny andron’ny TOMPO; mahatahotra indrindra izany ka tsy hisy hahatanty.
«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.
Amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra; izay ao an-tanànan’i Jerosalema aoka hilefa any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina ao an-tanàna.
Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.