Marka 10:6 - DIEM PROTESTANTA Fa hatrany am-piandohana, fony nahary izao tontolo izao Andriamanitra, «dia nanao ny olona ho lahy sy vavy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hatrany am-piandohana, fony nahary izao tontolo izao Andriamanitra, «dia nanao ny olona ho lahy sy vavy.» Baiboly Katolika Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; Baiboly Protestanta Malagasy fa hatramin’ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27). Malagasy Bible fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27). La Bible en Malgache Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27). |
Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.
Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.
Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.
Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.
ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenàn’ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao ihany!»
Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».