Marka 13:19 - DIEM PROTESTANTA19 Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201119 Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao sady tsy hisy intsony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara19 Fa ho andro fijaliana izany, dia fijaliana tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’ny zavaboaary, ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa. Jereo ny tokoBaiboly Katolika19 fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy19 Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. Jereo ny tokoMalagasy Bible19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache19 Fa amin’izay andro izay dia hisy fahoriana izay mbola tsy nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao sady tsy hisy intsony. Jereo ny toko |
«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve?