Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 21:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny dia holazainay aminy hoe: Aoka hamindra fo aminy ianareo fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy, fa raha izany dia meloka ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: «Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin’ny ady. Sady tsy ianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ilay ady teo; fa tsy hianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny dia holazainay aminy hoe: Aoka hamindra fo aminy ianareo fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy, fa raha izany dia meloka ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 21:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.


Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo;


Zava-doza ho an’ny olona ny mora miteny hoe: «Zavatra voatokako ho an’Andriamanitra ity», na ny mivoady ka avy eo vao mieritreritra.


Kanefa, noho ny fijangajangana mananontanona, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.


Fony nivory tao Mitsepà ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita.


Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra.


Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.


Inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo lehilahy Benjaminita sisa velona, satria efa nianiana mafy teo anatrehan’ny TOMPO isika fa tsy hanome ny zanakavavintsika ho vadiny?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra