Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 21:21 - DIEM PROTESTANTA

21 ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin’i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin’ny faritanin’i Benjamîna izy mba ho vadinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 ary rehefa hitanareo mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo izay ho vadiny avy ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin’i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin’ny faritanin’i Benjamîna izy mba ho vadinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ny tanimboaloboka hianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 ary rehefa hitanareo mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo izay ho vadiny avy ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 21:21
13 Rohy Ifampitohizana  

Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.


Hoy kosa i Davida tamin’i Mikàla: –Ho fanajana ny TOMPO no nanaovako izany, dia Izy Ilay nifidy ahy mihoatra noho ny rainao sy ny ankohonany manontolo, ka nanao ahy ho filohan’i Israely vahoakany. Eny, ho fanajana ny TOMPO no mbola hitsinjahako;


Hoderaina amin-dihy anie ny anaran’ny Tompo, ka hankalazaina amin’amponga sy lokanga


Miderà Azy amin’amponga sy dihy, Miderà Azy amin’ny jejilava sy sodina.


Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.


Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana; misy fotoana isentoana ary misy fotoana andihizana.


Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.


Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany;


Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy hijaly mafy Izy ary holavin’ny olona ankehitriny.


Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.


Koa nanoro hevitra ireo lehilahy benjaminita izy hoe: –Mandehana miafina any anaty voaloboka,


Tamin’ny fiverenan-dry Davida avy nahafaty an’ilay Filistinina, dia nivoaka hitsena an’i Saoly mpanjaka ny vehivavy avy tamin’ny tanàna israelita rehetra; nihira sy nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka sy ny zava-maneno hafa izy ireo, ary velona hobim-pifaliana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra