Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.
Marka 1:39 - DIEM PROTESTANTA Dia lasa i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin’ny sinagôgan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia lasa i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin’ny sinagôgan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony. Baiboly Katolika Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagogan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ny synagogan’ny olona eran’i Galilia sady namoaka ny demonia. Malagasy Bible Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia. La Bible en Malgache Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia*. |
Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.
Ary nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao.
Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto
Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: –Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin’ny tanàna akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanàna.
Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo. Ary nitety ny tanàna kely manodidina i Jesoa, ka nampianatra.
Ary rehefa niala teo ravehivavy ka tonga tany an-tranony, dia nahita ny zanany matory tsara eo am-pandriana, efa nialan’ny demony.
Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.