Dia foana tamin’izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin’izay nataoko.
Marka 1:37 - DIEM PROTESTANTA ka nony nahita an’i Jesoa izy efa-dahy, dia nilaza taminy hoe: –Mitady Anao ny olona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 koa rehefa nahita Azy izy ireo dia niteny Taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nony nahita an’i Jesoa izy efa-dahy, dia nilaza taminy hoe: –Mitady Anao ny olona rehetra. Baiboly Katolika ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: «Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. Malagasy Bible Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. La Bible en Malgache koa rehefa nahita Azy izy ireo dia niteny Taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra. |
Dia foana tamin’izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin’izay nataoko.
Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: –Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin’ny tanàna akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanàna.
Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia ho avy ny Rômanina handrava ny tempolintsika sy ny firenentsika.
Tamin’izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe: –Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
ary nankany amin’i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin’ny olona rehetra.