Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 11:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia foana tamin’izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin’izay nataoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, koa fantatry ny mpivarotra izay niambina ahy fa tenin’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia foana tamin’izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin’izay nataoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia voatapaka tamin’izay andro izay io ka dia fantatr’ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, koa fantatry ny mpivarotra izay niambina ahy fa tenin’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 11:11
27 Rohy Ifampitohizana  

ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.


Hahita ny famonjena ahy ny ory ka ho faly. Ry mpitady an’Andriamanitra, ho ela velona anie ianareo!


Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina? –Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.


Fa izay matoky ny TOMPO kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.


Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.


Araka izay nolazain’ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamèla zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe: –Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatôta ao amin’ny tanin’i Benjamîna, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin’izay fa ny TOMPO tokoa no efa niteny tamiko.


Fa izaho kosa mitodika amin’ny TOMPO ary manantena an’Andriamanitra mpamonjy ahy, fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.


Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.


Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.


Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy


Tonga koa i Ana tamin’io fotoana io ka nisaotra an’Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin’izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan’Andriamanitra an’i Jerosalema.


Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe: –Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.


Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.


Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin’ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin’ny asany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra