Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:27 - DIEM PROTESTANTA

Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Fa ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! Fa ny fanahy maloto aza no didiany dia manaiky Azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Fa ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! Fa ny fanahy maloto aza no didiany dia manaiky Azy.

Jereo ny toko



Marka 1:27
15 Rohy Ifampitohizana  

Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Israely.


Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.


Rehefa voaroakan’i Jesoa ny demony, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao teto amin’i Israely!


Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.


Ary poatoizay dia niely eran’ny faritany Galilea manontolo ny lazan’i Jesoa.


Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy:


Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana.


Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy.


Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: –Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.


Raiki-tahotra izy rehetra sady nifampiresaka hoe: –Ahoana re izany teny izany? Fa baikon’ity olona ity amim-pahefana sy hery ny fanahy maloto, dia lasa!


Novorîn’i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony rehetra sy hahasitrana ny aretina,


Dia nentin’izy rehetra i Paoly ka notarihiny hankeo amin’ny antenimiera Areôpazy sady nilazany hoe: –Moa azonay fantarina ve izao fampianarana vaovao resahinao izao?